IKorintiana9:18/ITimoty6:10 "Inona ary no valim-pitia azoko? Dia izao: raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy asiako fandoavam-bola ny filazantsara, mba tsy hanampatra ny fahefàko amin'ny filazantsara...
Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be."
"Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako?
Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana
Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana!
Feno ràn'olona* ny tananareo. (*Hebreo= rà nalatsaka)
Salamo50:8&12:"Tsy ny fanatitrao no ananarako anao...Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy."
Marka 8:38" Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin'ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahitry ny Rainy mbamin'ny anjely Masina."