***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

Lioka 9:23-26 " Ary hoy koa Jesosy tamin'izy rehetra: 
Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, 
dia hitondra ny hazo fijaliany isan'andro ka hanaraka Ahy.
Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany; 
ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia izy no hamonjy izany. 
Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, 
kanefa very ny ainy*, na matiantoka, izany izy? (*na: ny fanahiny)
Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny Teniko, 
dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, 
raha avy amin'ny voninahiny sy ny an'ny Rainy ary ny an'ny anjely masina."

Tenin' Andriamanitra