***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

Salamo37:12-20 
"Ny ratsy fanahy  manao hevi-dratsy hamelezany ny marina ka mihidy vazana  aminy.
 Ny Tompo mihomehy azy, satria hitany fa ho tonga ny androny.
 Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory  sy ny  malahelo, ary hamono ny mahitsy làlana.
 Ny sabany hitsatoka amin'ny fony ihany, ary ny tsipìkany ho tapatapaka.

 Tsara lavitra ny kely ananan'ny olo-marina anankiray noho ny be ananan’ny ratsy fanahy maro.

 Fa ny sandrin'ny ratsy fanahy ho tapatapaka; Fa Jehovah manohana ny marina.
 Fantatr'i Jehovah ny andron'ny mahitsy; Ary ny lovany ho mandrakizay.
 Tsy mba ho menatra amin'ny andro fahoriana ireny; ary amin'ny taona mosarena dia ho voky izy.
 Fa ny ratsy fanahy haringana, ary ny fahavalon'i Jehovah ho tahaka ny voninahitry ny saha; Ho    levona izy,  eny, ho levon-ko setroka izy."

Tenin' Andriamanitra