***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

Zakaria 1:3-6a " Miverena Amiko ianareo, hoy Yahweh, Tompon'ny maro, 
dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Yahweh, Tompon'ny maro.
 Aza mba toy ny razanareo, izay nantsoin'ny mpaminany fahiny hoe: 
 Izao no lazain'i YahwehTompon'ny maro: 
Mialà amin'ny làlanareo ratsy ianareo sy amin'ny ratsy fanaonareo; 
nefa tsy nitandrina izy, na nihaino Ahy, hoy Yahweh.
 Ny razanareo - aiza moa ireny izao ? 
 Ary ny mpaminany - moa velona mandrakizay va ireny?
 Fa ny Teniko sy ny didiko, izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko,
 tsy nahatratra ny razanareo va izany? "

Tenin' Andriamanitra