***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

Matio 13:47-50 << ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, 
  izay nalatsaka tao amin'ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra;
 ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, 
 dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany.
Dia tahaka izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao; 
 hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina,
 dia hatsipiny any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; 
 any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. >>

Tenin' Andriamanitra