***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

  I Jaona 2:15-17: " Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. 
  Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.
  Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filàn'ny nofo sy ny filàn'ny maso 
  ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, 
  fa avy amin'izao tontolo izao ihany.
      Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filàny; 
      fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra  mandrakizay."

Tenin' Andriamanitra