***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

Isaia 29:13-14  << Ary hoy ny Tompo: 
 Satria manatona Ahy amin'ny vavany ity firenena ity 
  ary mankalaza  Ahy amin'ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, 
  ka ny fahatahorany Ahy dia didin'olombelona  ampianarina azy ihany,
 Dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin'ity firenena ity Aho, 
  dia zava-mahagaga sy  mahatalanjona; 
  Ka ho foana ny fahendren'ny olon-kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan'ny mazava sainany.>>

Tenin' Andriamanitra