***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

2 Timoty 3:1-5
"Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. 
Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, 
miteny ratsy (Gr: manao blasfemia;  Mat. 9:3), tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, 
tsy manaja Izay Masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, 
mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, 
tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’ Andriamanitra,
manana ny endriky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; 
ireny koa dia halaviro."

Tenin' Andriamanitra