***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

Matio5:43-45,48 << Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao (Lev. 19. 18), 
 ary mankahalà    ny fahavalonao.
 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, 
 ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo, 
 mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; 
 fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy 
 ary mampilatsaka ny ranon'orana amin'ny marina sy ny tsy marina.
 Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo 
 toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra. >>

Tenin' Andriamanitra