***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

Lioka 3:2b-9 "...dia tonga tamin'i  Jaona, zanak'i  Zakaria, tany an-efitra ny tenin'Andriamanitra.
 Ary nankany amin'ny tany rehetra any amoron'i  Jordana izy nitory ny batisan'ny  fibebahana  
 ho famelan-keloka; araka  ny  voasoratra  ao  amin'ny  bokin'ny  tenin'Isaia  mpaminany  hoe:

 Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny làlan'i Jehovah, 
 Ataovy mahitsy ny làlan-kalehany.
 Ny lohasaha rehetra hototofana, Ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, Ary ny  meloka hahitsy, Ary ny làlana mikitoantoana hohamarinina;..
 Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen'Andriamanitra (Isa. 40:3-5).

 Dia hoy izy tamin'ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana,  iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?

 Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i  Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho  an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.

Ary, indro, efa mipetraka ao amin'ny fototry ny  hazo sahady ny famaky; 
koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa  tsara dia hokapohina ka hatsipy any anaty afo."


Tenin' Andriamanitra