***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

Saotra sy voninahitra anie ho an'Andriamanitra Raintsika amin'ny alàlan'i Jesosy Kristy noho ny famindrampony lehibe ka nanomezany tombon'andro ho antsika.
Tamin'ny fomba mahagaga tsy takatry ny saina fa tsy tamin'ny filazan'olona no namoahan'ny Tompo ahy sy ny ankohonako hivoaka ny fomba-piangonana sy ny fanaon'izao tontolo izao.
Ny Tompo anie hanaisotra ny fahajambana rehetra mba hahitanao ny  fahamarinana. Amen!

Iaraha-mahalala fa mandroso ho amin'ny faharatsiana be izao vanin'andro iainantsika izao IITimoty3:1-5"Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.
 Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy (manao blasfemia), tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, 
 tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,mpamadika, kirina, mpieboebo, 
tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra,
 manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny;
 ireny koa dia halaviro."

Tsy misy fahamarinana na dia any amin'ny ankamaroan'ny fiangonana aza. Isaia59:4"Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra ny rariny araka izay mahatoky; matoky ny tsy izy sy miteny zava-poana izy; Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana." and9:"Ary noho izany dia lavitra antsika ny rariny, ary ny fahamarinana tsy mahatratra antsika; miandry ny mazava isika, nefa indro ny maizina, ary fahazavana, fa mbola ao amin'ny aizim-pito ihany no andehanantsika."

Nahoana moa no milaza izany ny Soratra Masina?
Mazava be: satria efa niala tamin'ny fankatoavana an'Andriamanitra hatramin' ny ela ny olona. 
Jesosy raha nilaza hoe:"Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.
 Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany."(Matio4b-5). (taon-jato maro lasa izay...). Marina izany.
Tsy tambo isaina tokoa ny mpamitaka.  Be ny voafitaka ka jamba tsy mahita ny marina intsony.
Efa miha-antomotra ihany, ary ho tampoka anefa ny fihavian'ny Tompo Matio24:37-39:"Fa tahaka ny andron'i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona.
 Fa tahaka ny tamin'ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, 
mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara,
 ary tsy fantany mandra-pihavin'ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona."

...Efa antomotra tokoa ny fotoana hihavian'ny Tompo sy ny faharavan'izao tontolo izao, ary izany dia ho andro mahaory Daniela12:1b" ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany..."  
Koa mampahery anao aho, amin'ny anaran'i Jesosy Tompo:
Aza be fangatak'andro fa fotoana mila ahalalanao ny fahamarinan'Andriamanitra izao ka hiverenanao amin'izany. Mba ho voavonjy ny fanahinao.
Feno fihatsarambelatsihy eto an-tany. Manakatra ny lanitra ny ratsy ataon'ny olombelona. Manohatra noho Sodoma sy Gomora ny fahavetavetana miseho. Very ny olona...te ho afaka kanefa hajambain'ny toriteny diso afafin'ny mpamitaka...

Tokana ihany no làlana hahafahanao miala amin'izany zava-dratsy izany dia ny fanekena an' i JESOSY KRISTY Zanak'Andriamanitra, nanolotra ny ainy teo amin'ny hazo fijaliana, nandatsaka ny rany, mba hamonjy ny olona. Jaona14:6 "Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alàlako."

Ny olona manana an'i Jesosy dia tokony ho mpankato ny tenin'Andriamanitra. Tarihin'ny Fanahy Masina. Mivavaka amin'ny Fanahy sy ny fahamarinana; Jaona4:23-24"Fa avy ny andro*(ora), sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. 
Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka Aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny Fanahy sy ny fahamarinana"
Manaiky fa Jesosy Kristy no Tompo sy Mpamonjy ny fiainana, efa nahavita ny famonjena, fanatitra velona, nisolo antsika mba hanaisotra ny fahotan'izao tontolo izao. Jaona3:16" Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay."


Hafatra sy anatra ho an' ireo mpitarika jamba, mpitady laza sy voninahitra, mpila sitraka aman'olona, manao toriteny tsara lahatra mba hahazoana ny soa eto an-tany... Tsy mitory ny fahamarinana. Mitaona olona hameno fiangonana nataon-tànana Lioka21:5-6:"Ary nisy nilaza ny tempoly, fa voaravaka vato tsara sy fanatitra izy; fa hoy Jesosy: Ny amin'ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana."

 Ny mpitarika jamba dia hahavery fanahy maro.Tsy miala amin'ny fanaon'izao tontolo izao Jakoba4:4" Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy." 
I Jaona2:15 "Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray"

Atsaharo ny famitahana ny ondrin' Andriamanitra amin'ny resaka vola (fanatitra sy fahafolon-karena,...) Aiza ny fiahiana marina ny kamboty sy ny mahantra, ny mpitondratena sy ny vahiny, izay sarobidy amin' Andriamanitra? JESOSY EFA NAHATANTERAKA NY LALANA. 
IZY no fanatitra velona, sitrak' Andriamanitra. Voavonjy izay rehetra mino Azy, dia izay mino Azy marina tokoa. Romana8:1 (Ny famonjen'i Kristy ny mino Azy, izay miantomboka amin'izao fiainana izao ary mbola hotanterahina ho mandrakizay) "Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy." Tsy misy ampiana na analana fa TANTERAKA IZANY.
Koa tiko ny hanoro  hevitra anareo noho ny fitiavan' Andriamanitra Tsitoha, Tompon'ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra eo aminy: Mibebaha fa mbola andron'ny famindrampo izao! Miverena amin'ny fahamarinana.

Izaho manambara marina eto , ho voninahitr'Andriamanitra Tompon'ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy: tsy nisy nampianatra ahy hilaza izany fa ny Fanahin'ny Tompo. Tsy nisy fanomanana izay nosoratako teto fa matoky ny Fanahy Masina aho. Jesosy  namonjy ahy tamin'ny làlan-diso, indrindra ny fombafombam-piangonana. Tsy vitsy ireo nahafantatra ahy taloha...Saingy nanova ny fiainako tanteraka ny Tompo; 
satria fahiny aho dia niaina tamin'ny faharatsiana maro...

HO AN'ANDRIAMANITRA RAY AO AMIN'I JESOSY KRISTY IRERY IHANY NY FANJAKANA SY HERY ARY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!
HALELOIA! AMEN! 

                                                                                                                                                                


                                                                                                            

Tenin' Andriamanitra