***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

Ohabolana 13:13-14, 20 " Izay manamavo ny Teny ho voasingony*; (*mahavery tena)
Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia. 
Ny fampianaran'ny hendry dia loharanon'aina 
Ka mampivily tsy ho ao amin'ny fandriky ny fahafatesana.
Izay miara-dia amin'ny hendry dia ho hendry; 
Fa izay misakaiza amin'ny adala dia hidiran-doza*(*ho ratsy)."

Tenin' Andriamanitra