***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

Romana 6:19b; Hebreo 12:14b <<...fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo
  ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna 
  hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, 
  dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo
  ho mpanompon'ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana...
  fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.>>

Tenin' Andriamanitra