***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

I Petera1:13-25  (Famporisihana hitondra tena mifanaraka amin' ny filazantsara
"Koa amin'izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy;
tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filànareo fahiny tamin'ny tsi-fahalalanareo; fa araka ny fahamasinan'Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra, satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho" (Lev. 11.44).
Ary raha Ilay tsy mizaha tavan'olona, fa mitsara araka ny asan'izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin'ny fahatahorana mandritra ny andron'ny fivahinianareo etỳ ;
fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana,
fa ny rà soan'i Kristy, toy ny ràn'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina;
Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, fa efa naseho tamin'izao andro farany izao noho ny aminareo
Izay mino an'Andriamanitra amin'ny alàlany, dia Ilay nanangana Azy tamin'ny maty ka nanome voninahitra Azy,- mba hiorenan'ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin'Andriamanitra.
Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin'ny fo (amin'ny fo madio);
fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin'ny voa mety ho lò, fa tamin'ny tsy mety ho lò, dia ny Tenin'Andriamanitra, izay velona sady maharitra.
Fa "ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny;
Fa ny Tenin'ny Tompo maharitra mandrakizay" (Isa. 40.6 - 8). Ary izany no Tenin'ny filazantsara izay notorina taminareo."

Tenin' Andriamanitra