***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

Ohabolana 15:3, 10-11
"Ny mason'i Jehovah amin'izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy...
 Famaizana mafy no hihatra amin'izay mivily làlana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty.
 Ny fiainan-tsi-hita* sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan'i Jehovah, 
 Koa mainka ny fon'ny zanak'olombelona! (*Heb. Sheola)"

Tenin' Andriamanitra