***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

Ohabolana 2:3-6, 9 "..raha miantso ny fahalalana ianao 
                               Ary manandratra ny feonao hahazo saina,
                               Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao 
                              Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina:
                              Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an'i Jehovah, 
                              Ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra.
                    Fa Jehovah no manome fahendrena; 
                   Avy amin'ny vavany no ihavian'ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.
      Ary amin'izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny ary ny hitsiny, 
      dia ny làlana tsara rehetra."

Tenin' Andriamanitra