Matio 25:41-46 "Ary dia hilaza
indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe:
Mialà amiko, ianareo izay
voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay,
izay voavoatra ho an'ny
devoly sy ny anjeliny;
fa noana Aho, fa tsy
mba nomenareo hanina;
nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo;
nivahiny Aho, fa
tsy mba nampiantranoinareo;
tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo;
narary sy tao an-tranomaizina Aho, fa tsy mba novangianareo.
Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana
no hitanay noana Hianao,
na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na
narary, na tao an-tranomaizina,
ka tsy mba nanompo Anao izahay?
Fa hamaly azy Izy
ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa:
Araka izay tsy nataonareo tamin'ny
anankiray amin'ireto kely indrindra ireto
no tsy mba nataonareo Tamiko.
Ary ireo dia hiala
ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay;
fa ny marina ho any amin'ny fiainana
mandrakizay."