***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

Ohabolana 4:10-19 "Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.
 Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin'ny làlana mahitsy aho.
 Raha mandeha ianao, dia tsy ho èty ny làlanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.
 Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.

 Aza mankany amin'ny alehan'ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin'ny lalan'ny ratsy.
 Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora.
 Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.
 Fa mihinana ny mofon'ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain'ny fahalozàna.
 Fa ny làlan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro.
 Ny alehan'ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy."

Tenin' Andriamanitra