***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

Romana 8:1-4, 13-14 
"Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy.
  Fa ao amin'i Kristy Jesosy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana     sy ny fahafatesana.
Fa izay tsy hain'ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, 
dia vitan'Andriamanitra tamin'izy naniraka ny Zanany, 
naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin'ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin'ny nofo,
mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain'ny lalàna amintsika, 
izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy...
Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty;
fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan'ny tena dia ho velona ianareo.
Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra."

Tenin' Andriamanitra