***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

Galatiana5:16-26 
"Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filàn'ny nofo ianareo.
 Fa ny nofo  manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa,  mba tsy  hahazoanareo  manao izay zavatra tianareo.
 Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.
 Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,
 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana,  fifampiandaniana,  fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy  izany, izay lazaiko aminareo  rahateo, tahaka ny  voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia  tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.
 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy,  fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po;
 tsy misy lalàna manohitra izany.
 Fa izay an'i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filàny tamin'ny  hazo fijaliana.
 Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.
 Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona."

Tenin' Andriamanitra