<< Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin'ny mofo no nolazaiko taminareo?
Fa tandremo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.
Dia fantany fa tsy nasainy hitandrina izy, fandrao azo'ny masirasira fanaovana mofo,
fa andrao azon'ny fampianaran'ny Fariseo sy ny Sadoseo...
Ary Jesosy nanao fanoharana taminy koa hoe: Ny jamba va mahatari-dàlana ny jamba?
Tsy hianjera any an-kady va izy roa?>>