***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

 Lioka 6:46
 Matio 7:21-23 
 "Ary nahoana hianareo no miantso Ahy hoe:Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko?…
Tsy izay rehetra manao Amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra.
Maro no hanao Amiko amin’ izany andro izany hoe: 
Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ ny Anaranao va izahay? 
ary tsy efa namoaka demonia tamin’ ny Anaranao va izahay? 
Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ ny Anaranao va izahay? 
Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: 
Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà Amiko, hianareo mpanao meloka."

Tenin' Andriamanitra