Galatiana 3:23-29 "Fa fony tsy mbola
tonga ny finoana,
dia voambina tao ambanin'ny lalàna isika
ka voahidy ho
amin'ny finoana izay efa haseho ato aoriana.
Koa ny lalàna dia
mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.
Fa rehefa tonga ny
finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika.
Fa ianareo rehetra
dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy.
Fa na iza na iza
ianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy.
Tsy misy intsony
na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy;
fa iray ihany
ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.
Fa raha an'i
Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny Teny fikasana."