***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

Isaia55:6-7 , Amosa8:11
<<  Mitadiava an'i Yahweh, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.
      Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; 
      ary aoka hiverina ho amin'i Yahweh ireny, fa hamindra fo aminy Izy, 
      Eny, ho amin'Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka  tokoa Izy...

Indro, avy ny andro, hoy Yahweh Tompo, izay hanaterako mosary amin'ny tany, 
tsy fanirian*-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana* handre ny Tenin'i Yahweh >>
 *
mosary

Tenin' Andriamanitra