***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

Lioka 23:27-31 "Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy 
                   ary vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy.
                   Fa Jesosy nitodika azy ka nanao hoe: 
                   Ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomany Ahy, 
                   fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo.
                   Fa, indro, ho avy ny andro izay hilazany hoe: 
               Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza.
               Dia hilaza amin'ny tendrombohitra hoe izy: 
               Mianjerà aminay; ary amin'ny havoana hoe: Saròny izahay (Hos. 10. 8).
               Fa raha ataony amin'ny hazo maitso izany hatao ahoana amin'ny maina?"

Tenin' Andriamanitra