***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

IKorintiana 6:9-11 " Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina 
tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? 
Aza mety hofitahina ianareo:
  fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy 
  sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita* (*Levitikosy18.22)
  sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy 
  ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.
Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo,
 saingy efa voasasa ianareo, 
 efa nohamasinina ianareo, 
 efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo 
 sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika."

Tenin' Andriamanitra