***

Jaona 6:34-40<< ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.>>

Matio 5:1-12 "Ary Jesosy, nony  nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary  rehefa tafapetraka  Izy, dia nanatona Azy ny mpianany.
 Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe:
 Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.
 Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina.
 Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany (Sal. 37. 11).
 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.
 Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.
 Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra,
 Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra.
 Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.
 Sambatra ianareo, raha haratsian'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra  hitenenany lainga  anareo noho ny Amiko.
 Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any  an-danitra; 
 fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo."

Tenin' Andriamanitra